systani marja marja
Réseaux sociaux : CALENDRIER MUSULMAN


            ÛMMI ANNONCES
18/02/2019  -  Wiladat Fatima Zahrah (as) 24/02/2019 - Ummi Foibe Anosimasina 8h30
 

 

Wiladoun Nabi (saw) 1439H//2017 Mobaraka!

Notontosaina ny Alahady 17 Décembre 2017 lasa teo ny Fankalazana ny Wiladoun Nabi (saw) 1439H//2017 teto anivon'ny Ûmmi Madagascar Antananarivo.

Tonga maro ny olona namaly ny Antso ho fanamarihana izany Wiladat lehibe izany , toy ny Madressa IPAM, Madressa Housseini, Madressa Tahora, ary ireo Jamat mahafatra-po sy ireo rahalahy mpino hafa. 

Niavaka tokoa ny lanonana satria dia nisy ireo fandaharam-potoana maromaro toy ny fifaninanana tonokalo, ny fanaovana qassida ary Barzanji nifandimbiasan'ireo mpianatran'ny Madressa isantsokajiny ireo. 

Nofaranana tamin'ny Soalat Jamat sy fisakafoanana ampirahalahiana izany lanonana izany.