systani marja marja
Réseaux sociaux : CALENDRIER MUSULMAN


            ÛMMI ANNONCES
18/02/2019  -  Wiladat Fatima Zahrah (as) 24/02/2019 - Ummi Foibe Anosimasina 8h30
 

NY MPAMINANY MOHAMMAD (SAW) SY NY FIRAHALAHINA, FIRAISAN-KINA

Teny fampidirana fiderana an’Andriamanitra

ary fangataham-pitahiana hoan’ny Mpaminany Masina Mohamady sy ny taranany, ary ireo mpianany mpanaradia Azy (saw).

 Noho ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitiavany no nanamboarany antsika, no safidiny ho olona (olombelona), nataony ho toy izao izay endrika misy amintsika izao, ny maha-olona dia fahasoavana lehibe dia lehibe tokoa.

Niteny Allah:   

 

لَقَدْ خَلَقْنَا الإِنسَانَ فِي أَحْسَنِ تَقْوِيمٍ

(Sorat at Tiine: 04)

“ Amafisina fa noharianay tamin’ny fomba lavorary tokoa ny olombelona”





  • Tsy izany fotsiny ihany anefa fa mbola nomeny ireo fahasoavana maro hafa ety an-tany, ary any an-danitra, ary nataony ambany fiahiantsika, na mikarakara antsika izao rehetra izao.

ٱللَّهُ ٱلَّذِى خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلْأَرْضَ وَأَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءًۭ فَأَخْرَجَ بِهِۦ مِنَ ٱلثَّمَرَٰتِ رِزْقًۭا لَّكُمْ ۖ وَسَخَّرَ لَكُمُ ٱلْفُلْكَ لِتَجْرِىَ فِى ٱلْبَحْرِ بِأَمْرِهِۦ ۖ وَسَخَّرَ لَكُمُ ٱلْأَنْهَٰرَ

وَسَخَّرَ لَكُمُ ٱلشَّمْسَ وَٱلْقَمَرَ دَآئِبَيْنِ ۖ وَسَخَّرَ لَكُمُ ٱلَّيْلَ وَٱلنَّهَارَ

 

(Sorat Ibrahim: 32-33):

32: “Andriamanitra, Izy no Nahary ny lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra, izay nanomezany voankazo hamelomany anareo. Nataony hampiasainareo ireo sambo izay misosa eny ambony ranomasina, amin’ny alalan’ny Baikony. Ary nataony hampiasainareo ireo renirano.”

33:  “Ary nataony amin’ny fiovaovana hatrany ho anareo ny masoandro sy ny volana. Ary nataony ho anareo ihany koa ny alina sy ny andro.”

  • Ary efa nomeny antsika olombelona izay rehetra tadiavintsika.

(Sorat Ibrahim: 34):

وَءَاتَىٰكُم مِّن كُلِّ مَا سَأَلْتُمُوهُ ۚ وَإِن تَعُدُّوا۟ نِعْمَتَ ٱللَّهِ لَا تُحْصُوهَآ ۗ إِنَّ ٱلْإِنسَٰنَ لَظَلُومٌۭ كَفَّارٌۭ

Nomeny anareo izay rehetra nangatahinareo Taminy. Ary raha isainareo ireo fahasoavana avy amin’Andriamanitra, dia tsy ho voaisanareo izy ireny. Tena mpanao ny tsy rariny, sady tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.

 

  • Zanahary rehefa manome baiko, na mitaridalana ny zanak’olombelona dia nohon’ny fitiavany antsika, tombotsoa hoantsika Olombelona na iraisana izany tombotsoa izany, na hoan’ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra nankato Azy. Ka nohon’ny fitiavany (Andriamanitra) antsika dia nandefa iraka sy Mpaminany maro be Izy hitaridalana antsika; mba hahatonga ny zanak’olombelona feno tonga amin’ny maha izy azy, izany hoe: olona mendrika, tsara, akaiky ny lafatra, izay ny voalohany. Ary ny faharoa mba hahazoany fiainana ampiadanana mandrakizay. Izy roa ireo (Ny fahatongavana lafatra, sy ny fiadanana mandrakizay) dia miankina amin’ny finoana an’Andriamanitra tokana.

 

 

  • Koa raha tsy mandray sy manaraka ireo torolalana ireo isika amin’ny alalan’ny finoana sy fandraisana ny fampianaran’Izy ireny (as) avy amin’ny Andriamanitra, dia hitsapatsapa na hanao andrakandrana amin’ny fahitana sy andrana (fitiliana) izay ampiharina amin’ny fiainantsika, dia avy eo hita aty aoriana fa hoe fahitana diso. Nefa efa very ny fotoana, maro ny zavatra efa simba.

 

  • Ny mampiavaka ny fahitana sy fahalalana izay novoizintsika toy izao amin’ny fikarohan’ny mpikaroka ireny, amin’ny fahalalana izay lazain’ireo Mpaminany masina (as), an’isan’izany, ary iray amin’ireo Mpaminany lehibe ny Mpaminany Mohammad (saw); Ary fahasoavana sy hinakinaka hoan’izao tontolo izao.

(Sorat Al-Anbiya, ayat 107):

وَمَآ أَرْسَلْنَٰكَ إِلَّا رَحْمَةًۭ لِّلْعَٰلَمِينَ

“Fa tsy nalefanay ianao, raha tsy ho famindram-po ho an’izao tontolo izao.”

Ireo fahalalana izay lazain’ireo Mpaminany ireo dia marina mifanaraka amin’ny tena izy na dia mbola amin’ny hoavy no nilazany azy (fahagagana).

 

  • Niteny Mpaminany Mohammad (saw) :

"مثل المؤمنين في توادهم وتراحمهم وتعاطفهم، مثل الجسد ، إذا اشتكى منه عضو تداعى له سائر الجسد بالسهر والحمى."  (البخاري ، الكافي: الاخوة)  

 

« Ny mitovy amin’ireo mpino amin’ny fifankatiavana sy ny fifampiantrana ary ny fifandeferana dia toy ny vatana iray; rehefa mitaraina ny singa iray aminy dia miaraka miari-tory miaritra ny hafanana ireo rantsam-batana hafa.”

(Sahih Bokhary, Oussol ul Kafi: firahalahian’ny mpino)

  • Ary mbola niteny Mpaminany Mohammad (saw) :

 قال رسول الله 7: "أحب الناس الى الله أنفعهم للناس"

 

“Ny tena tian’Andriamanitra amin’ny olona dia izay tena ahazoan’ny hafa tombotsoa.”

 

قال رسول الله 7: " خير الناس أنفعهم للناس"

“Ny tsara indrindra amin’ny olona dia izay ahazoan’ny hafa tombotsoa.”

 

  • Niteny Imam Ali (as) :

قال الإما م علي (ع): الناس صنفان: إما أخ لك في الدين أو نظير لك في الخلق.

“Roa karazana ny olombelona : na izy rahalahinao amin’ny finoana, na izy mitovy aminao amin’ny maha olona.”

(Nahjal Balagh, la lettre Imam Ali (as) a Malik Achtar)

  • Ny fehiny dia izao: Raha miraihina, mirahalahy , mifamkatia, mifampihaino, mifanaja… ny olombelona hametraka ny mahaolona azy dia tsy misy zavatra tsy vitany, ary hotonga lafatra, no hahazo fiadanana… na ny fahantrana , ny tsy fandriampahalemana, ny aretina sns dia samy ho resy.
  • Mankasitraka antsika rehetra…