systani marja marja
Réseaux sociaux : CALENDRIER MUSULMAN


            ÛMMI ANNONCES
18/02/2019  -  Wiladat Fatima Zahrah (as) 24/02/2019 - Ummi Foibe Anosimasina 8h30
 

FATIMA ZAHRAH (AS)

ANARANA: Raha mikasika ny Anarana manokana dia manana ny Lanjany sy ny maha izy azy ny anaran’ireo olona masina, ary noheverina fa manambara ny maha izy azy ny zavatra iray, io anarana io. Raha miverina amin’ny tantara isika dia ireo mpitarika masina mihintsy no miraharaha be ireo anarana Omena olona iray, indrindra moa ny Anarana FATIMA, izy ireo dia mitia ny trano ahitana anarana FATIMA ao anatiny.

Niteny IMAM SWADIQ (as): “FATIMAT ZAHARA (as) dia manana anarana sivy (09) eo anatrehany Tompo ALLAH.”

Ireto avy izany:

FATIMA - SWIDDIKAT - MOUBARAKA - TWAHIRA - ZAKIYA - RADZIA - MOURDZIA - MOUHADISA - ZAHRA.

ANARAM-PANANJAN’I FATIMA AL ZAHARA (as)

OUMMO ABIHA Izay midika hoe: Renin-drainy, satria i Fatima (as) dia nizaka tanteraka ny Vesatra teo amin’ny rainy foana, tahaka ny hoe reny mizaka ny vesatra eo aminy zanany, ary Izy dia zanaka izay tena nitiavin’ny Mpaminany (saw)  indrindra.

Manamafy izany ny tenin’I IMAM BAQIR (as): I FATIMA dia nomena anaram-pananjana hoe: OUMMO ABIHA Renin’ny rainy.

OUMMO AL HASSANAYN; Hassan sy Hossen (as).  

OUMMO AL HASSAN: Hassan dia zanany lahy  voalohany

OUMMO AL HOUSSEIN: Izy no ilay zanany lahy faharoa.



MAHAKASIKA NY FAHATERAHANY

I Fatimat Zahara (as) dia teraka tamin’ny andro zoma taona fahadimy (05) ny nahazoan’ny Mpaminany Mouhammad (SAW) ny faminaniana, tao Makka tamin’ny faha20 ny volana Jamàd Akhàr.

Voalazan’ny tantara fa sakafo avy any amin’ny Paradisa no nohanin’ny Mpaminany Mohammad (saw), nahazoany tsirinaina izay nahatonga an’i Fatima Zahrah (as). Ary taorian’ny niakaran’ny Mpaminany (saw) tany an-danitra (Miraje).

TONTOLO NISY AZY

I Fatima Zahra(as) dia naterakin’ny Ray aman-dReny manan-kaja izay fantatry ny rehetra, ny Rainy raha teo dia Lehiben’ny zavaboahary maneran-tany izay fantatra tamin’ny famaranana ny faminanian’ireo Olo-masina teto an-tany dia ny Mpaminany Mohammad (saw), izay nanova ny tantaran’ny zanak’olombelona.

 Ny Renin’i Fatima (as) kosa dia anisan’ireo Lehiben’ny Vehivavy ao amin’ny Paradisa. Izy ilay Reny nahafoy nanome sy nandany ny harenany tamin’ny Vadiny mba hampielezana ny finoana Islamo, dia Ramatoa Khadidja Binty Khowailide. Izany dia an’isan’ny voninahitra ary haja mampiavaka an’i Fatima (as), manampy ireo haja feno izay ananany.

TOETRAN’I FATIMAT ZAHARA (as)

Araka ny tantara Voaray tamin’ny Boky Moustadrak al Hakim dia nilaza i Anas ibn Maalik fa i Fatima (as) dia tahaka ny Volana fenomanana izay mamirapiratra amin’ny alina, mbola mitovy aminy koa ny masoandro mivoaka amin’ny rahona, izay mibaliaka manazava. Rehefa nilaza momba azy kosa i Aicha Vadin’ny Mpaminany dia Niteny hoe: mbola tsy nahita olona mitovy firesaka sy endrika tamin’Ilay Iraka farany mihoatra an’i Fatimat Zahra (as) aho, marina tokoa izany satria izy ilay Singa avy tamin’ny Rainy.

NY KOR’ANY MASINA SY FATIMAT ZAHARA (as)

  • SOURAT AHZAB andininy 33: “Ny hanala ny fahalotoana aminareo notadiavin’Andriamanitra, ry fianakavian’ny Mpaminany (saw), ary ny hanadio anareo tanteraka”. Araky ny andininy masina io dia matetika ny Mpaminany farany (saw) mandalo eo amin’ny Tranon’I Fatima (as) zanany rehefa izy mivoaka ho any amin’ny toerana fanompoana masjid ka rehefa tonga akaikin’ny Varavarana izy dia mamaky an’io andininy io no sady milaza hoe: Assalamo anlaykom ya Ahloubayt noboa.
  • SOURAT AL-KAOSARA andininy manontolo: “Efa nomenay anao tokoa ny habetsaham-pahasoavana koa tanteraho ny vavaka fanompoana ho an’ny tomponao, ary manolora sorona, fa izay mankahala anao no tsy hanan-taranaka.” Nidina taminy Mpaminany farany (saw) ity Sourat AL-KAOSARA ity. Ny tiany ambara eto dia ny hamaroany hatsarana; ary izany hatsarana tiany ambara eto izany dia ny hamaroany taranany. Fantatra amin’izany fa I Fatimat (as) dia nanana taranaka maro, ary ireo mpitarika rehetra dia nivoaka taminy avokoa .

2)SOURAT AL-CHOURA andininy faha 23: “Lazao hoe: tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho,  afa-tsy ny fitiavana ireo havana akaiky (taranako, fianakaviako) .”

Andininy izany dia manambara fa I Mpaminany farany (saw) dia tsy mila tambiny sy tsy mila valisoa avy amin’ireo olona ireo amin’ny fampielezana finoana islamo ity afa-tsy ny fitiavana ireo Taranany masina sy madio , ka noho izany dia tafiditra ao amin’io andininy io I Fatimat Zahra (as) izay mendrika tiavina sy arahina.

DINGANA NOLALOVANY TEO AMIN’NY FIAINANY

  • Fatima Zahara (as) dia niaina teo ambany fiahian’ny fampielezana ny finoan’Andriamanitra izay nataony Rainy nandritra ny fahazazany. Izy dia niara-nisalaha tamin’ny Ray aman-dReniny sy ireo taranak’I Hachimo izay fanta-daza tokoa tamin’izany fotoana izany.
  • Fatimat Zahra (as) dia nametraka lesona sy modely fankahatahaka ho an’ireo Vehivavy, izy dia nahavita ny ezaka teo amin’ny fiarovana ny finoana noentin’ny Rainy, ary Reny nahay nitaiza sy nikolokolo ireo zanany tamin’ny fiainany ka nahalasa azy ho lehilben’ny Vehivavy maneran-tany.
  • Fatima Zahrah (as) dia nitsangana manampy sy nanome hery ny Rainy Mpaminany Mohammad (saw) tamin’ny fampielezana izay nataony, ary nijoro amin’ny toeran’ny reny mpanohana, mpankahery ny Irak’Andriamanitra ka nahatonga azy nantsoin’Ilay Iraka Farany (saw) hoe: “Fatima dia Renin-dRainy.”

TASBIHAT  ZAHARA (as)

Nilaza IMAMO SWADIQ (as) hoe: Izay olona tsy misaraka aminy fanaovana fiderana fanaon’i Zahra (as) (tasbihat zahra-as) dia tafiditra ho an’isan’ireo olona mpidera lava an’Andriamanitra.

Toy izao ny fomba fanaovana azy: ALLAHO AKBAR 34, ALHAMDOULILLAHI 33 ary SOUBHANA ALLAH 33, 100 no fitambaran’ilay fiderana ata. Isaka vita soalat no fotoana fanaovana azy, nefa azo atao amin’ny fotoana rehetra, sady tsara izany no ahazoana valisoa lehibe. Ny olona manao azy dia mahazo hafalian’i Tompo ALLAH (swt). Ny fanaovana io tasbih io dia lalana anakiray mankany amin’ny paradise.

HAFATRA NAVELAN’I FATIMAT ZAHARA (as)

Rehefa narary Fatima Zahra (as) tamin’ilay aretina nahafaty azy dia nametraka hafatra izy tamin’ny Vadiny ALY (as) toy izao ary no voalaza teo amin’ny hafatra izay hitany teo amin’ny lohany rehefa izy maty: Amin’ny anaran’Andriamanitra ilay be indrafo sy ilay be fihatrana ity ilay hafatra izay navelany Fatima (as) zanak’ilay Irak’Andriamanitra, mijoroa vavolombelona ianao fa tsy misy Tompo tompoina afa-tsy Allah ary Mohammad dia mpanompony sy Irakany ary ny Paradisa dia marina, ny Afobe dia marina ary ny fara-andro dia ho tonga tsy misy fisalasalana ny aminy, ary Tompo ALLAH dia hamoaka indray ny olona avy ao am-pasana.

Oh ry ALY “ karakarao aho aorian’ny fahafatesako; sasao, ataovo honot (asiana kafora aminy toerana fanaovana sojoud), ataovo kafany ary ivavaho avy eo aleveno amin’ny alina; aza misy ampahafantarina na iray aza, homba anao  anie Andriamanitra ary mirary fandriampahalemana aho an’ireo zanako mandrapahatongan’ny andro Fitsarana.

HAFATRA FANAMPINY

Rehefa tsy salama I Fatima (as) dia niantso an’I Oummo Aiman sy Asma binty Oumaise  ary Imamo ALY (as) ka namela hafatra toy izao izy. Namela hafatra izy ny mba hanambadian’I ALY (as) an’I Amama zanan-drahavaviny, ka rehefa nodimandry I Fatima (as) dia notanterahiny Imamo ALY ny hafatra ka novadiany Amama binty zainabo, toy izany ny hafatra navelan’ny Vehivavy votom-pinoana, aiza ho aiza ny fahitan’ireo Vehivavy ankehitriny izany?

MATY MARITIORA I FATIMAT ZAHARA (as).

 Maty maritiora ilay zanaka vaviny mpaminany(saw)  farany ity nohon’ny fanafihana nataon’ireo tsivalahara an’ilay tranony faminaniana izay nampiarahina taminy fandorana mihintsy aza , toetra ratsy sy mamoafady no nahafaty an’ity maritiora vavy ity satria ireo mpialona azy dia nahasahy ny niditra an-keriny ny trano fonenany Fatima zahara (as) izay tsy nahazoana alalana akory ,sahin’izy ireo ny nanosika ilay varavarana an-keriny ka naha afa-jaza ilay zaza tao an-kibony antsoina hoe MOUHSIN izay nahatonga aretina sy takaitra tsy afa-niala taminy.

Maro ihany koa ireo fijaliana sy fanaintainana feno alahelo nosedrainy izay nafitsok’ireo mitady handrava ny fitondran’ny vadiny ny finoana islamo .Fatima Zahra (as) dia singa avy aminy Mpaminany (saw) araka nolazainy, ka izay mampijaly azy dia mampijaly an’ilay Iraka masina farany (saw) .

FANDEVENANA AN’I FATIMAT ZAHARA (as).

Kiakiaka sy tomany ary alahelo no endrika hita tao an-tranon’i  Imamo ALY(as) tamin’ny fotoana handevenana an’I FATIMA (as) , nirotsadranomaso ireo mponiny tanana rehetra tamin’io, ary nifamorivory tao antranony ireo vehivaviny Bani HACHIMO ka tao anatiny tomany sy alahelo izany rehetra izany, Nisy ihany koa ireo olona hafa tonga nanatrika tao , I HASSAN sy HOUSSEN (as) dia nanatri-maso tamin’izany fotoana noho ny alahelon’izy ireo amin’ny fahalasan’ny Reniny, hita teo ihany koa I OUMMO Kolsomo, sy Abou zarry izay niandry ny fivoahan’ny razana ho alevina. Fantatra fa Imamo ALY (as) no nanasa sy nampitafy ilay razana tamin’ny andro alina izany. Imamo ALY (as) Vadiny no nanangana ilay fanompoam-pivavahan’ny maty (Swalatol maït) ho azy.

Rehefa nangina ny feo mitomany sy taraina ary azon-tory ny mason’ny maro teo, alina rahateo ny andro dia navoakany IMAMO ALY (as) ilay razana ka noentiny alevina mangingina amin’ny andro alina iny ihany. Natao izay tsy nahitan’ireo vahoaka mpanao tsindrihazolena ny fandevenana, mba tsy hisy fanafihana sy famotehana indray, ireo mpiatsaravelatsihy koa dia nitady an’ilay razana nefa tsy nahita satria nandavaka Lavaka maro Imamo ALY (as) tamin’izany mba hanafenana tanteraka ilay faty. Raha fehezina ny resaka dia nalevina miafina tsy fantan’olona I FATIMAT (as) afa-tsy ireo Ahloulbayt ihany no mahafantatra sy mahita izany.