systani marja marja
Réseaux sociaux : CALENDRIER MUSULMAN


            ÛMMI ANNONCES
18/02/2019  -  Wiladat Fatima Zahrah (as) 24/02/2019 - Ummi Foibe Anosimasina 8h30
 

Ny Imam faha-telo Houssein ben ali (as)

I Housseine zanakalahin’i Ali no Imam fahatelo. Ramatoa Fatima, zanakavavin’ny Mpaminany(s.a.w) no reniny. Zafikelin’ny Mpaminany izany izy, sady mpandimby azy (khalifa), ary raiben’ireo Imam miisa sivy nandimby azy taty aoriany. Imam fahatelo, nandimby ny Imam Hassane(as) rahalahiny izy.



Ny faha 3 ny volana Cha’bane, taona faha-3 amin’ny fanisanandro Islamo, no nahaterahany tao Madine. Ny zoma faha 10 volana Moharram, taona 63h amin’ny fanisanandro Islamo no namonoana azy tao Karbala, tamin’ny adin’ny “Achoura” rehefa niharitra hetaheta sy hetraketraka, nandritra ny andro maromaro.

Tao Karbala ihany no nandevenana azy, ary mbola miorina ao ny fasany hatramin’izao.

Maro ny toetra tsara nananany. Izy ilay voninkazon’ny Mpaminany araky ny nambaran’ny Mpaminany mivantana momba azy sy Hassane(as) rahalahiny hoe: izy roalahy ireo no voninkazoko ety an-tany. Ankoatr’izany dia nilaza koa ny Mpaminany hoe: “I Houssein(as) dia avy amiko, ary izaho dia avy amin’i Houssein(as)”. Dia nampiany hoe: “I Hassan sy i Houssein dia Imam, na mitsangana izy ireo na Mipetraka”.

Tena nanam-pahaizana izy,ary mpanompon’Andriamanitra nahafatra-po.Tahaka ny Amiroul-mo’minin, Imam Ali(as) rainy izy, izay zatra manatontosa fanompoam-pivavahana (rakka) am-polony maro isan’andro.

Fahazarany ny milanja harona feno sakafo eny an-tsorony ary mizara izany tamin’ireo mahantra sy fadiranovana. Rehefa maty izy dia hita teo amin’ny sorony, ireo mariky ny enta-mavesatra fitondrany. Nalala tanana sy nalemy fanahy izy.

Tsy nandeferany mihitsy izay mety fanitsakitsahana ny lalàna Islamo fampianaran’I Tompo Andriamanitra.

Ny fihetsiny nanoloana ny arabo iray, izay nila zavatra ka nanatona azy (ny Imam), dia ohatra iray tamin’ny fahalalan-tanany. Mba hahazoan’ilay arabo fahafaham-po tamin’ny zavatra nilainy dia namorona izao tononkalo fiderana ny Imam izao izy: “Tsy mbola nisy niverim-poana, izay nanantena zavatra taminao, ka nandondona ny varavaranao, malalatanana ianao, ary azo ianteherana. Ny rainao dia mpanao hazalambo ireo ratsy fanahy (ireo fahavalon’Andriamanitra). Raha tsy nisy ireo zavatra rehetra azonay tamin’ny razambenareo dia efa levon’ny afon’ny Helo  izahay”.

Rehefa nandre izany teny izany ny Imam Houssein (as) dia nomeny efatra arivo dinara ilay Arabo, sady niala tsiny toy izao izy: “miala tsiny aminao aho, raiso ity, minoa ahy ianao fa miray fo aminao aho. Raha teo aminay ny tehina (tehin’ny fahefana), dia ho nitobaka taminareo ny andon’ny lanitra (raha teo ampelatananay ny firenena Islamo, dia ho nanome anareo mihoatra izany izahay) saingy nivadika taminay ny fotoana ary kely ny eo am-pelatanako.”

Ny tsangan-kevitra nijoroany tamim-pahasahiana tsy misy toa azy no mbola nampitsangana ny finoan’ny dadabeny Mpaminany Mohammad (saw) sy ireo fomba amam-panao fototra amin’ny finoana Islamo. Noho izany tsanga-kevitra nijoroany izany tokoa mantsy no nahafahan’izao tontolo izao miaina hatramin’ny farany. Izy no lehiben’ireo maritiora, ary izy no mendrika indrindra aorian’ny rahalahiny.